<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>652</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 O, ry Jesosy, omeo ny hery,
 Mba handreseko ny ota izao !
 Osa sy ketraka aho irery,
 Raha tsy avy izao Hianao.
 Raiso ny fo.
 Tano tokoa,
 Mba handreseko,
 ry Tompoko ô !

[V2]
 O, ry Jesosy, omeo ny hery,
 Ka amboary ny fonay izao ;
 O, mba esory izay mahavery,
 Mitomoera aminay Hianao ;
 Ka hazavao
 Ny fo izao
 Ampandosiro ny aizina ao !

[V3]
 O, ry Jesosy, omeo ny hery,
 Kely finoana re izahay,
 Ary ny lalanay ety sy tery,
 Ry Jeso ô, mitantàna anay !
 Tohanonao
 Ny olonao,
 Ampandreseo izay manaraka
 Anao !</lyrics>
<title>O, ry Jesosy, omeo ny hery FFPM652</title>
</song>